Matsiatra Ambony : hampiroboroboana ny lalam-pihariana lohamenaka

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, izay tohanan’ny fandraharanasa CLIM-INVEST sy ny Vondrona Eoropeanina. Nisy, araka izany, ny dinika niarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina niresahana ny sehatry ny lohamenaka. Nivoitra nandritra izay ny drafitrasa nanaovana laharam-pahamehana ity lalam-pihariana ity. Voalaza ao anatin’izay ny fanatsarana sy ny fandrindrana ny seha-pihariana, ny varotra sy ny hetra ary ny fampidirana eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna an’ireo mpiantsehatra tsy mbola ao anatin’izany. Natsangana ihany koa ny komity hanara-maso ny fampiharana ny drafitra natsangana izay arahana fivoriana isaky ny telo volana.
Mifanindry an-dalàna amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana « huiles essentielles » ao Matsiatra Ambony ny dinika natao ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ao an-toerana sy ny fampivoarana ny seha-pihariana. Marihina fa faritra isan’ny mpamokatra “huiles essentielles” betsaka indrindra manerana ny Nosy ny ao an-toerana. Maro, araka izany, ireo misehatra amin’ny fandraharahana eo amin’ny fambolena (agribusiness). Tsiahivina fa, maherin’ny 75 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondranana ireto vokatra ireto, ny taona 2022.

Henintsoa H.

Partager sur: