Niray latabatra ny kristianina sy ny mpino silamo, omaly, ho fanamarihana ny IFTAR. Niatrika izany ny filoha Rajoelina Andry, izay mijoro ho mpampiombona ny Malagasy rehetra.
Sambany teto Madagasikara! Niray latabatra ny mpino kristianina sy ny mpino silamo, nandritra ny andro fankalazana ny IFTAR. Ity farany izay fety ankalazan’ireo mpino silamo ny fanombohan’ny famaranana ny ramadan na ny fifadian-kanina. Nomarihina omaly, teny amin’ny hotely Radisson Blue, Ambodivona izany. Tonga nanatrika ny fotoana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nasongadiny nandritra ny lahateny izay nataony ny fanamafisana ny firaisankina sy ny firahalahiana eto Madagasikara. Nanome toky ny fanohanany ny mpino silamo izy, izay efa mahatratra 10 hatramin’ny 13 % ny vahoaka malagasy, ankehitriny. Nisaotra azy ireo izy amin’ny fandraisana anjara fampandrosoana an’i Madagasikara na amin’ny lafiny sosialy, na toekarena izany. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, fa zava-dehibe ihany koa ny fiainana ny finoana, hoe enti-miasa sy miaina.
Nanome voninahitra ny mpino silamo ka nandray fitenenana ny solontenan’ny Ray masina Katolika eto Madagasikara, ny Mgr Thomsz Grysa. Nivoy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miaina anatin’ny fahasamihafana izy. Antoka iray hisian’ny fitoniana sy filaminana izany ary fototra ijoroan’ny drafitrasan’ny Fiketrahana masina amin’izao fotoana izao.
Mpampiombona
Nandray anjara fitenenana ihany koa ny solontenan’ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara, Caabi Elyachroutu Mohamed. Niarahaba ny filohan’ny Repoblika sy ny fianakaviany izy amin’ny nahavoafidy azy, hitondra indray ny firenena. Nisaotra amin’ny ezaka ataon’ny filoha Rajoelina Andry, izay mijoro ho mpampiombona sy manaja izay fahasamihafana izay. Nanamafy izany, ny lehiben’ny Federasiona Silamo eto Madagasikara na ny FSM. Nilaza ity farany fa zava-dehibe ho azy ny fanotronan’ny filoha izay sambany no nisy ny tahaka izao.
Manome toky fa hanohy ny fitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny mpino silamo.
r.r




