Notsiahivin’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, omaly, fa nisokatra amin’ny antoko politika sy fikambanana samihafa ny eo anivon’ny TGV/Mapar. “Tsy voatery ho avy amintsika avokoa ireo kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka eo anivon’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Efa nisy ny fandaminana eo amin’ny samy mpikatroka mpanohana ny fitondrana”, hoy izy. Niantso sy nanentana ny mpikambana rehetra ity lohandohan’ny mpitarika ny TGV ity mba hanaja ny rafitra sy ny fitsipika ifampifehezan’izy ireo. Nanteriny fa ilaina hatrany ny fampivondronana ny hery rehetra, ho an’ireo mpanohana izao fitondrana izao. Tsy mandeha ho azy izao fanehoan-kevitra izao fa mety miseholany ny disadisa anatiny eo amin’ny samy TGV.
Tsiahivina fa efa nivoaka tsikelikely, afakomaly, ny ampahany amin’ny lisitr’ireo kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana depiote. Nisy ny tsy tafaverina hilatsaka hofidina intsony ireo depiote amperinasa, mpanohana ny fitondrana, noho izany fandaminana sy ny fisokafana izany. Mety hampitombo isa ireo kandidà mahaleo tena izany. Tsy afa-bela amin’izany koa anefa ny eo anivon’ny fanoherana. Mitoetra ny lonilony sy ny tsy fahafaliana noho ny resaka fampivondronan-kery. Na ho an’ny Firaisankina io na ho an’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy.
Synèse R.




