TMH Avaradrano : manaiky izay ho kandidàn’ny Irmar

“Manaiky sy manohana ary mankato ny kandidà atolotry ny vovonana Irmar isika”, hoy ny mpitarika ny fikambanana Tanora miandrandra ny hoavy (TMH), Rafidimanana Désiré, tetsy By Pass, omaly. Nanteriny fa manaraka hatrany ny toromarika avy amin’izany vovonana izany izy ireo.
Nohavaozina tamin’izany koa ny birao mitantana ity fikambanana ity ho an’ny distrikan’Avaradrano tapany B. Voafidy ho filoha mpitarika Ramanantenasoa Davidanirina Onjaniaina. “Tanjona ny fanatsarana ny fikambanana hoenti-miatrika ny toe-draharaham-pirenena”, hoy izy ireo. Maherin’ny 1 000 ireo mpikambana niatrika izany ka nahitana solontena avokoa ireo kaominina maromaro amin’ny faritra B eny Avaradrano iny. Anisan’izany ny kaominina Ambohimangakely, Ambohi­malaza, Anjeva, Alasora, Ambohimanambola, Masindray, ary ny kaominina Ankadinandriana.
Tsiahivina fa anisan’ny tanjon’ny TMH ny fifanampiana, ny fifampitokisana ary ny fijerena ny tombontsoa ho an’ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: