FANTINA sy FINTINA

Nohelohin’ny raiamandreny any amin’ny faritra Amoron’i Mania ny HCC amin’ny fanapahan-kevitra nanala an-dRazanamahasoa Christine tsy ho depiote. “Didy sy fanapahana miharo tsindry iny na­voaka iny ary fanilihana ny zanak’i Fianarantsoa… Ny amin’ny sisa no tsy atao intsony”, hoy izy ireo.

Mikatso ny asa eny amin’ny tetikasa Tana masoandro, Imerintsiatosika, araka ny nambaran’ny fikambanana Malagasy miaro ny taniny (Mamita). “Tsy nandray ny vola karamany ireo mpiasa. Mirongatra koa anefa ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana”, hoy izy ireo.

Nanome toromarika ireo mpianatra ho mpitsara ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanante­nasoa Landy Mbolatiana, afakomaly, teny Faravohitra. Natao izany mialoha ny hidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Misalotra ny anarana “Ilo” ity andiany ity ka ahitana “Judiciaires” miisa 41 raha 20 ny “Administratives” ary 20 kosa ny “Financières”.

Nihaona tamin’ireo tanora FJKM, KTLM, Spam Antsirabe, ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Nambarany fa lasa zatra fahoriana ny tanora ankehitriny, hany ka tsy afaka mivoatra, simba tanteraka ny fahatanorany. Nentaniny hahay hitraka sy ho vonona ary hamboly toe-tsaina tia mikaroka ireo tanora.

Partager sur: