“Manodidina ny 3% izao ireo kandidà nanatitra ny dosieny manerana ny Nosy amin’izao efatra andro mialoha ny fe-potoana farany, ny alatsinainy izao”, hoy ny loharanom-baovao iray. Voalaza ho anton’izany ny mbola ady varotra sy fifandresen-dahatra naharitra ary koa ny paikady eo amin’ireo vovonana politika, manolotra kandidà. Tamin’ity herinandro ity vao nivoaka ny fanapahan-kevitra ho an’ny sasany. Nitoviana izany na ho an’ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana na ho an’ny fanoherana. Vita ny fifantenana niainga amin’ireo masontsivana vao mahazo ny fankatoavana sy ahafahana milatsaka “Mandat” ilay kandidà ary manangona ireo antontan-taratasy rehetra ilaina.
Ireo mirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina na mahaleo tena kosa anefa no maro kokoa amin’ireo efa nametraka ny dosie-ny eny anivon’ny Ovec. Anisan’izany ny any Toamasina amin’ny alalan’ny kandidà, Coco Velogna. Ny depiote Masy Goulamaly any Tsihombe, raha ao Toliary ny mahaleo tena Soafilira Rhino…
Hiasa sabotsy sy alahady
Efa nahavita ny azy koa ireo avy amin’ny vovonana ka nahazo fankatoavana. Anisan’izany Razafintsiandraofa Brunelle any Ikongo avy amin’ny Firaisankina. Samy avy amin’ny Kolektifa kosa Randriarimanana Patrick ao Fianarantsoa sy ny kandidà Tania Avanamiarantsoa etsy Ambohimanarina ary i Jonah Pikulas any Maintirano. Ny mpanao gazety, Harifidy Ramanandraibe, etsy amin’ny boriborintany fahadimy, Kolektifa koa.
Tsiahivina fa hisokatra ny Ovec sy ny ivon-ketra rehetra anio sy rahampitso.
Synèse R.




