Hanao haitaky ny firaisamonina sivily: mila ampitomboina ny sorabola ho an’ny vaksiny

18% amin’ny zaza latsaky ny 23 volana no tsy mbola vita vaksiny mihitsy, raha 38% no nahatontosa ny anjara vaksiny rehetra, araka ny fanadihadiana momba izany ny taona 2021. Sady miaro amin’ny areti-mifindra no misy vokany ho an’ny fiainam-pirenena eo amin’ny ara-toekarena ny fahazoan’ny zaza rehetra vaksiny. Amin’ny sorabolan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay 8% amin’ny tetibolam-panjakana, 11% ihany no natokana ho an’ny fanaovam-baksiny ary ny 1,7% no anjaran’ny fanjakana malagasy fa ny ambiny fanampiana avy amin’ny mpiray ombon’antoka. Ilaina ny fampiakarana ny vola atokana ho an’ny fanaovam-baksiny eto amintsika. Antony nametrahan’ny firaisamonina sivily CCOC sy ny vovonana Hina ary ny tambajotran’ny tanora Nosy ny tetikasa hotontosaina mandritra ny 12 volana, hanaovana haitaky ho fampitomboana ny vola ho an’ny fanaovam-baksiny. Faritra valo no hanatanterahana azy ary efa nanomboka ny volana aogositra 2023 lasa teo ny asa. Manohana izany ny Global Health Advocacy Incubator (GHAI).
“Hanana andraikitra lehibe ireo ambasadaoro ao anatin’ny tambajotran’ny tanora Nosy hitrandraka ny tambajotra sosialy mba hanova ireo tsaho sy hevi-diso momba ny fanaovam-baksiny”, hoy ny filohan’ ny vovonana Hina, Faniry Hantarinivo, omaly, teny Antaninarenina. Roa isaky ny faritra ny ambasadaoro, ahitana mpianatra, tanora efa miasa fa “activiste” amin’ny sehatrasa misy azy, eo koa ny atleta.

Vonjy

Partager sur: