Vao nivoaka ny fonja: maty voatifitry ny zandary i Mainty

Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny faran’ny volana marsa teo, niverina nanohy ny asa ratsiny indray i Mainty.

Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra (PA) Anka­dindra­vola teny Ivato, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fa­nendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Mainty. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, vao nivoaka ny fonja ny faran’ny volana marsa 2024 lasa teo ity jiolahy ity kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray. Lehilahy iray no nifanehatra tamin’i Mainty teny Ivato, afakomaly alina. Nen­dahiny io lehilahy io saingy niantso vonjy ihany na dia lasa nitsoaka aza ilay olon-dratsy. Nahazo antso momba izany rahateo koa ny zandary PA Ankadindravola. Niroso tamin’ ny fanarahan-dia ny zandary, saingy tsy lasa lavitra i Mainty dia tratra. Voa­tifitra tao anatin’ ny fifanje­voana izy satria nanohitra ireo zandary hisambotra azy. Efa tafaverina tamin’ny tom­pony ny vola sy ny finday nendahiny. Nomarihin’ny zandary fa fanintelony talo­han’izao no efa niditra ny fonja i Mainty. Tsy mety mionona amin’ny asa ra­tsiny anefa izy fa isaky ny maha­vita sazy any am-ponja dia mi­verina manao ny ataony indray rehefa tonga eny anivon’ny fiarahamonina. Maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’ity jiolahy gagi­lahy ity. Azo lazaina ho nisento tokana indray, araka izany, ny mponina eny Anka­din­dravola hatreny Ivato taorian’ny nahalavo an’i Mainty.

J.C

Partager sur: