Namono nahafaty ny vadiny : Lehilahy migadra 20 taona an-tranomaizina

Niakatra tetsy amin’ny fitsarana ady heloka bevava, ny alatsinainy 2 novambra teo, ny raharaha vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kominina ambanivohitra Maroseranana, distrikan’i Brickaville. Maty novonoin-drangahy vadiny ny renim-pianakaviana iray nanan-janaka vao efa-bolana monja, ny 25 marsa 2025 teo. Voampanga amin’izao raharaha izao ny vadin’io ramatoa maty io. Tsy nanda ny heloka vitany ny voampanga nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, tao amin’ny sampam-pitsarana ady heloka bevava. Nampiseho tamin’ny fihetsika fifonana teo anatrehan’ny mpitsara sy ireo niatrika ny fitsarana tamin’ ny alalan’ny fandohaliana izy. Nitarika io habibiana io ny ady teo amin’izy mivady. Somary mamomamo ilay rangahy ka nilaza ho tsy tia ny sakafo narosom-badiny azy.
Mpitrandraka volamena izy mivady ireo ka nilaza ralehi­lahy fa tokony hanana fahafahana hatrany hividianana laoka tiany ilay ramatoa vadiny. Naharay antsy izy tamin’ny fotoana nifamalian’izy mivady. Nofirainy indroa nisesy tao amin’ny faritry ny lamosiny ilay ramatoa vadiny. Nahazo ny faritry ny tendan’ity mitaizakely izany. Tsy tana ny ainy. Voatery notaizain’ny olona akaiky ny zanak’izy mivady miisa roa. Nalefa hamita ny saziny any am-ponja ilay ray nahavanon-doza. Hahatritra 20 taona, sazy mihatra, io sazy io.

Sajo

Partager sur: