TSELATRA

Olona 11 voasambotry ny polisim-pirenena tao Fianarantsoa, nandritra ny hetsika mahomby nataon’izy ireo, nanomboka ny 23 oktobra hatramin’ny 31 oktobra teo. Nangalatra solosaina, clé USB ary power bank ny lehilahy roa. Nanendaka teny Anjoma sy Ambatolahikisoa ny lehilahy dimy hafa. Manendaka mitana fiadiana ny roa. Lehi­lahy roa hafa tratra nanao vola sandoka,tao Mahasoakely.
Tratran’ny zandary tao Vontovorona ny lehilahy mpamaky fiangonana, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nirongo entana mavesatra ity farany ka noraisim-potsiny rehefa nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana. Avy
nitsidika ny FJKM tany Imerintsiatosika izy ary nalainy ny ampli de puissance sy table de mixage. Notazomina natao andrimaso ity farany. Averina amin’ny tompony ny entana nangalariny.
Tafaverin’ny miaramila ny omby miisa 10 nisy nangalatra tany amin’ny fokontany Ambinagnitelo, kaominina Ambahita, Bekily. Nisy halatr’omby nitranga ny alahady 1 novambra 2026 teo. Nanao ny fanarahan-dia ny miaramila ny ampitso. Nifanehatra tao amin’ny fokotany Fenegnevo, kaominina Fotadrevo, distrikan’Ampanihy ny roa tonta. Raikitra ny fifandonana, tafaporitsaka ireo dahalo raha navelany teo ireo omby.
Olona telo mpivarotra sy mpifoka rongony no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Maha­masina tetsy Anosibe, ny alatsinainy 02 novambra 2026, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Nahitana fonosana rongony miisa 76 teny amin’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika manokana hiadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izao vokatra azo izao.

Partager sur: