Voalaza ho nananton-tena: fatim-behivavy nahitana dian’antsy sy tsindrona

Nanambara ny mpitsabo fa maty namono tena ny vehivavy iray, hita faty nihantona teny Ambohibao. Nisy dian’antsy teo amin’ny tratrany, misy tsindrona seringue ny tanany. 

Vehivavy 38 taona hita faty tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Anta­la­mohitra, kaominina Antehi­roka, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Naharay antso ny zandarimaria ao an-toerana ny maraina tamin’ny 9 ora sy 40 minitra. Nanamarina ny zava-nisy, nihantona tamin’ny tady, nifatotra teo amin’ny tendany, ilay ramatoa. Tady fanahazan-damba teo an-tokotany ihany io nifatotra taminy io. Nianjera ny seza kely teo akaikiny. Nahitana ratra vokatry ny dian’antsy ny vatany, rehefa nanao fitiliana niaraka tamin’ny mpitsabo ny zandary. “Efa nisara-bady izy ny taona 2023. Manana zanaka 15 taona”, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Anela­ne­lan’ny nonony roa ireo dian’ antsy ireo saingy tsy nilentika nahazo ny nofo izany. Namono tena io vehivavy io, araka ny tatitry ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Antehiroka, taorian’ny fitiliana.
Tsindrona seringue
Nahitan’ny mpitandro filaminana faritra misy tsindrona seringue koa ny tanana havia an’io vehivavy voalaza ho namono tena io. Nosa­vaina ny manodidina ny trano fonenany. Hita tao anatina harona plastika ny vovoa sy lamba izay nihosin-dra. Niara-nisakafo tamin’ny rainy izy ny alin’ny 13 avrily ka tsy nahita azy intsony ireo havany taorian’izay raha tsy izy efa namoy ny ainy io. “Ahina ho novonoina io vehivavy io vao nahantona tamin’ny tady”, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana saingy ny fanadihadiana no afaka hamaritra izany. Nanamafy ny mpitsabo nanao fitiliana, efa ora 9 mialohan’ny nahitana ny fatiny no namoy ny ainy io vehivavy io. Nentina natao “autopsie” eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: