Mesupres : hatao anaty filaminana ny bakalorea

Mba tsy hisian’ny lesoka toy ny tamin’ny taon-dasa, amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana bakalorea amin’ity taona ity, nisy ny atrikasa niarahan’ireo herivelona rehetra manana andraikitra amin’izany.
Nampahafantarina nandritra izany ny andraikitry ny tsirairay, mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana, izay voarakitra ao anaty rindran-kevitra, « Manuel de procédure relatif à l’organisation et sécurisation du baccalauréat 2024 ».
Samy nitondra soso-kevitra ho fanatsarana izany ireo mpandray anjara.
Nahitana ny solontena avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ambony, ny avy ao amin’ny ofisin’ny bakalorea, ny miandraikitra ny fanadinam-panjakana. Ao koa ny minisiteran’ny Angovo, ny toekarena, ny MNDPT, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manampy azy ireo ny minisiteran’ny Foloalin­dahy, ny filaminam-bahoaka, ny Bianco, ny zandarimariam-pirenena ary ny mpiandraikitra ny cybercriminalité…
Mbola mampatahotra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny fivoahan’ny laza adina niteraka korontana tamin’ny taon-dasa. Hisorohana ny toy ireny mihitsy no anton’ny fihaonana natao.
Tsiahivina fa hifarana amin’ny 26 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana bakalorea 2024.

Tatiana A

Partager sur: