Mpivarotra Fasankarana : ilaina ny fampiasana karatra biometrika

Nanao hetsika fanairana ny fikambanan’ny mpivarotra etsy amin’ny Fasankarana, omaly. Mitaky ny hanohizana ny fampiasana ny karatra biometrika eny anivon’ny tsena izy ireo.

Midika ho fihemorana amin’ny fandrosoana misy ny fanafoanan’ny PDS izany, raha ny fanambaran’izy ireo. «Taorian’ny naoty fanafoanana izay nataon’ny PDS an’Antananarivo, lasa iharan’ny fandrahonana sy tsindrihazolena ireo mpivarotra», hoy ny filoha lefitry ny fi­kambanan’ny mpivarotra Ambodin’Isotry, Raharimalala Lanto Olga, nanampy tosika ireo eny an-toerana. Misy amin’ireo mpiasan’ny kaominina mitaky vola sady mandrahona an’ireo mpivarotra. « Iharan’ny fandrahonana ataon’ny mpitaky vola izahay mpivarotra sa­tria ampitahorin’izy ireo halàna amin’ny toerana hivarotanay », hoy kosa Rasoamalala Marie Christine, syndikan’ny mpivarotra eny amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy. Manahy ny hiverenan’ny olana eo amin’ny toerana hivarotana ihany koa izy ireo raha foana tanteraka ny fampiasana ny karatra biometrika, araka ny nambaran’izy ireo. « Maro ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana io karatra biometrika io. Anisan’izany, ny maha ara-dalàna azy ireo, mampatonga azy ireo ho matihanina eo amin’ny sehatry ny asa ihany koa izany », hoy ny solontenan’izy ireo. « Fitaovana ma­hom­by amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fampiasana io ka­ratra io satria tsy misy vola mifavezivezy intsony eny an-tsena fa voaloha amin’iny », hoy hatrany ny filoha lefitry ny fikambanan’ny mpivarotra Ambodin’Isotry, Raharimalala Lanto Olga. Miantso ny filoham-pirenena hamaha izany olana izany izy ireo. Mba hisi­an’ny filaminanana eny anivon’ny tsena sy eo amin’ny mpitantana isan-tokony. Efa nangataka fihaonana tamin’ny PDS izy ireo fa tsy mbola nisy valiny izany hatramin’izao.

Mino

Partager sur: