Fandalovan’ny rivodoza : 339 miliara Ar ny hanarenana ny fotodrafitrasa

Mahatratra 339 miliara Ar ny vola ilaina ho fanarenana ny simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny rotsakorana be farany teo. Tombana nataon’ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka rehetra no nahazoana ny so­ra-bola amin’ny asa samihafa tsy maintsy hatao, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier, teny Andrainarivo, omaly. Voalo­hany ny hanamboarana ny toeram-pandraisana ireo olo­na traboina na tsy maintsy afindra toerana noho ny voina miseho. Eny amin’ireo faritra tena marefo no hanorenana io fotodrafitrasa io, tsy ampiasaina intsony ny sekoly sy ny trano hafa handraisana ireo traboina. Tafiditra ao koa ny fanarenana ny tetezana maromaro lasan’ny rano ka mampanahirana ny fifamoivoizana an-tanety amin’izao fotoana izao ho an’ny RN6.
Noho ny fandaminana, anio vao hanainga ny sambo hitondra sakafo ho an’ny distrikan’i Sambava, Antalaha ary Vohémar. Efa nisy ny fividianana vokatra teo an-toerana nozaraina tamin’ireo traboina fa fanampiana andiany faharoa no entin’ny sambo. Tsy maintsy haverina amin’ny laoniny farany izany haingana ny fiainan’ny vahoaka any avaratra sy atsinanana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza, hoy ny toromariky ny praiminisitra sy ny Filohan’ny Re­poblika. Misahana ny fanohanana amin’ny sakafo ny BNGRC ary mikarakara ny lalana ny minisiteran’ny Asa vaventy. Firenena roa, i Sina sy Arabo no efa nanohina ny antso natao tamin’ny fahavoazana vokatry ny rivodoza farany teo.

Vonjy

Partager sur: