Firenena israelianina : nanome sakafo ho an’ny tokantrano 400

Na miatrika olana goavana aza ny firenena arabo nanomboka ny volana oktobra lasa teo hatramin’izao, tsy nanadino ny traboina any amin’ny faritra avaratra atsinanana vokatry ny rivodoza farany teo izy ireo. Nanatitra fanampiana misy vary, voamaina ary menaka ho an’ny tokantrano 400 (misy olona 2 000) ny filohan’ny Chambre de commerce Arabo-Madagasikara, Mamiarivelo Sylvia, teny Andrainarivo, omaly. Tokony hitsidika an’i Madagasikara ny masoivohon’i Israel miasa eto Madagasikara saingy mipetraka any Pretoria, fa noho ny zava-misy dia tsy tanteraka ny fitsidihany. Firenena matanjaka ny firenena arabo ka na eo aza ny ady sy ny olana iraisam-pirenena, afaka manampy ny hafa izy. Ankoatra ny fanampiana, mikarakara ny fampihaonana ara-barotra ho an’ny mpandraharaha malagasy sy arabo ny Chambre de commerce. Tsy hetsika voalohany natao teto amintsika ny tohana sakafo ho an’ny traboina. Vary 4 800t, voamaina 1200t ary menaka 400 tavoahangy no natolotra efa voamboatra anaty fonosana ho an’ny tokantrano 400. Tsy maintsy tonga any amin’ireo fianakaviana tena sahirana noho ny voina ireo, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC.

Vonjy

Partager sur: