INDRAY MIJERY

Nahazo boky torolalana ho an’ny taranja kajy, kilasy T2, ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Ihosy. Tanjona ny hanatsarana ny fampianarana io taranja io sy hofampitana izany amin’ny mpianatra. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanamorana fanatanterahana tetikasa (UFP) no niandraikitra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa PAEB nanaovana izany.

Hotanterahina ny zoma izao ny fisarihana ireo nisoratra anarana ka hisitraka zaran-tany miisa 79 vita fanajariana. Azo hanorenana trano fonenana avy hatrany ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, akaikin’ny CEG Andreba. Tafiditra ao anatin’ny programa « Titra iray, trano iray » tanterahin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana izany.

Mbola hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy vokatry ny alondrano avy any atsimo na atsimo atsinanana. Manomboka eo Ampanihy hatrany amin’ny tanjona Bobaomby no nahazo fampitandremana hatramin’ny anio.

Tsy maintsy miverina any an-dakilasy ny mpianatra ao amin’ny distrikan’Ambilobe satria hiatrika fanadinana mitovy amin’ny kilonga rehetra izy ireo ny volana jona ho an’ny CEPE ary ny volana jolay ho an’ny BEPC. Anjaran’ny tomponandraikitra ny mijery ny vahaolana mifanaraka amin’izay.

Partager sur: