Minisiteran’ny Mponina sy firaisankina : nisongadina ny fanatonana ireo olona marefo

Fidinana teny an-kianja nanatona ny olona marefo no nifantohan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tao anatin’ny 100 andro. Hampahaleo tena ireo marefo no tanjona.

Nanao tombana ny 100 andro voalohany niasany ny minisiteran’ny Mpo­nina sy ny firaisankina. Nisongadina ny zava-bita ary mbola betsaka ireo asa miandry izay hiompana hatrany amin’ny maha olona, satria io no andry voalohany amin’ny politikan’ny fitondram-panjakana.
Paikady nosafidian’ny mi­nisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ny fifampiresahana mivantana amin’ireo sokajin’olona marefo, indrindra ireo manana fahasembanana, an­kizy sy zokiolona, ireo niharan’ny herisetra sy niharam-boina.
Mivoy ny fanovana toe-tsaina sy ny fomba fanao mahazatra miteraka faharefoana no hatao mandritra ny fidinana ifotony. Tanjona ny hampahaleo tena sy hiala amin’ny faharefoana. Ampiri­sihina izy ireo ny hianatra sy hiasa ary handraharaha fa indrindra koa handrindra ny fiainam-pianakaviana.
Maherin’ny 216 000 ny olona nahazo fanentanana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tao anatin’ny 100 andro. Mpiara-miombon’antoka lehibe 4 no niara-nientana tamin’izany. Ny 8 marsa lasa teo, 15 000 ny vehivavy nandray anjara tamin’ny diabe nahitana fikambanana 400 mahery.
Olona miisa 5 290 no nisitraka fiofanana arakasa niarahana tamin’ny minisiteran’ny Teknika ho fanatrarana ny tarigetra dia ny hoe : “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso”.
Hitohy ny “Haratonaina”

Ezaka miandry ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ny fanohizana ny tetikasa “Haratonaina” ho fampivoarana ny fototra maha olona ao anatin’ny 3 taona manaraka. Tokantrano marefo ara-pivelomana miisa 281 000 no hisitraka izany. Ity volana avrily ity no hanombohana ny tetikasa manerana ny faritra 23. Atao ezaka ny hahatonga ireo mpisitraka ho tomponandraikitra ka tena hitondra fampivoarana ho azy izany tan-tsoroka izany. An­kizy 104 000 no hisitraka ny ezaka kopia faobe.

Tatiana A

Partager sur: