Fampianarana ambony: omen-danja ny asa fikarohana

Asa fikarohana fanoitra ho an’ny fampandrosoana no tarigetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Andriamaniraka Jaona Harilala, nandritra ny fandraisany ny andraikiny.
Fomba ahafahana mampahafantatra ireo asa sy voka-pikarohana ny fanaovana ny fihaonambe ho an’ny fikarohana na ny “Forum de la recherche”. Ilaina ny fametrahana ny politikan’ny fikarohana sy fanavaozana ary ny fampifandraisana ny voka-pikarohana amin’ny fampandrosoana. Kendrena hipaka any amin’ny vahoaka izany.
Misokatra amin’ireo rehetra te hiara-hiasa sy hiray ombon’antoka aminy ny eo anivon’ny minisitera ho fanatsarana ny fanatanterahana ireo vinan’asa fampandrosoana ny asa fikarohana ireo.
Sady hanome lanja ireo asa saina no hitondra vokatra mivantana eny anivon’ny fiarahamonina ary indrindra hampandroso ny firenena ny karoka ataon’ireo manam-pahaizana manomboka izao fa tsy hijanona ho tahiry fotsiny.

Tatiana A

Partager sur: