Fanabeazam-pirenena: fahombiazana ny 100 andro voalohany

Nanao tatitry ny 100 andro niasany ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Fanta­tra tamin’izany fa sekoly manara-penitra 23 no andalam-pahavitana ka hahafahana mandray mpianatra 2 208 vaovao indray.
Novatsiana fitaovana toy ny dabilio, efitranon’ny mpampianatra, toeram-pisakafoana, laboratoara ho an’ny CEG sy ny Lycée ary fitaovana informatika misy tablette miisa 2 500 ireo sekoly manara-penitra efa voatsangana miisa 65.
Nisy ny fanomezana dabilio miisa 12 000 ho an’ireo sekoly voalaza etsy ambony sy ireo izay mila izany. Mpianatra miisa 659 000 nisitraka aronakanjo izay novokarin’ireo vehivavy 8 238 avy amina fikambanana anatin’ny fandaharanasa Fihariana. Teo koa ny famokarana kahie ana hetsiny maro.
Famatsiana fanitso atao tafo, ho fanarenana ireo sekoly ravan’ny rivodoza, sekoly 169 no hisitraka izany. Nohatsaraina ny fampisakafoana an-tsekoly ho an’ireo mpianatra. Misitraka izany ny mpianatra any amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy Androy ary Anosy.

Boky miisa 27 000 ho fanatsarana ny taranja Kajy sy Malagasy no nozaraina ho an’Ihorombe sy Matsiatra Am­bo­ny, hitohy amin’ny faritra hafa izany. Miverina mamokatra fitaovam-pianarana koa ny Cnapmad ankehitriny noho ny ezaka fanarenana rehetra natao.

Tatiana A

Partager sur: