Ho an’ny mpiasam-panjakana : mbola mandray «prise en charge» ny Institut médical de Madagascar

Sahiran-tsaina ireo tokony hanao fitiliana eny amin’ny IPMadagascar fa miato aloha ny fandraisana ny fiahiana ho an’ny fitiliana rehetra raha mpiasam-panjakana amperinasa na misotro ronono ilay olona. Mbola mandray ny “prise en charge” kosa ny IMM

Niparitaka ny feo, tato ho ato, teny amin’ny tambajotra serasera, fa tsy mandray «prise en charge» ho an’ny mpiasam-panjakana intsony ny toeram-pitsaboana Institut médical de Madagas­car (IMM). Ny «prise en charge» eo amin’ny sehatry ny fahasalamana izay tafiditra ao anatin’ny zon’ny mpiasam-panjakana sy ny ankohonany, ka maro ireo olona misitraka izany. Araka izany, milaza sy manamarina ireo tomponandraikitra fa mbola misy hatrany ny «prise en charge» ho an’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny IMM. «Ny IMM dia manatsara hatrany ny fandraisana, ny kalitaon’ny asany ary ny fahamarinan’ny valin’ireo fitarafana (imagerie médicale) na fitsirihana (analyse de laboratoire) hanomezana fahafaham-po ny marary na mpiasam-panjakana io na mpiasa amin’ny tsy miankina na ireo olon-tsotra izay mila izany», hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

Andoavam-bola kosa ny fitiliana eny amin’ny IPM
Nanomboka ny 21 marsa lasa teo, tsy mandray ny fiahiana (prise en charge) ho an’ny fitiliana rehetra ao aminy ny Institut Pasteur de Madagascar raha mpiasam-panjakana amperinasa na koa efa misotro ronono ilay olona, araka ny fampahafantarana natao. Tsy maintsy manefa ny saran’ny fitiliana rehetra ny marary ary mandefa ny antontan-taratasy eny amin’ny sampana misahana ny fangatahana fanonerana eny anivon’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola. Sahiran-tsaina ireo mpiasam-panjakana efa misotro ronono satria ny volan’ny fanonerana teo aloha tsy mbola voaloa manontolo nefa tsy maintsy hiala vola raha misy fitiliana vaovao hatao, araka ny toromariky ny mpitsabo. Ho an’ny mpiasam-panjakana efa misotro ronona iray, ny fanonerana ho an’ny antontan-taratasim-pitsaboana sy nividianana fanafody ny volana avrily 2023 no noraisina ny volana janoary lasa teo. Tsy manana ambara momba io fanapahan-kevitra io ny mpitantana ny IPMada­gas­car, araka ny fanazavan’ny sampana misahana ny serasera nanontaniana omaly.

Vonjy

Partager sur: