Fikambanamben’ny sendikàn’ny fanabeazana : Tsy manaiky hampiasana ny minisitera ho fitaovana politika

Tsy manaiky ny fampiasana ny minisitera sy ny fitaovana ao aminy ho fitaovana politika ireo fikambanamben’ny sendikà misehatra eo amin’ny fanabeazana, araka ny fa­nambarana nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Am­bohijatovo, afakomaly. Taona fahatelo ny haavon’ny fari-pahalalan’ny vahoaka malagasy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. “Antony mahatonga izany ny hanaovana fitaovana politika ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara”, hoy ny mpitondra tenin’ny sendikà, Raharovohitra Clau­de. Nilaza izy ireo fa tsy azo ekena ny fampiasana ny fitaovam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ho fitaovana politika. Toy ny fiara teny anivon’ny Dren izay nanaovana fampielezan-kevitra, zava-nisy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo. Eo ihany koa ny fanaovana ramatahora ireo mpanabe tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana. Ankoatra izay, tsy azo ekena ny hanoloana ny chef Cisco ho olona tsy manana mari-pahaizana amin’izany akory. Misy ambaratonga ny fahaizana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. “Tsy maintsy nandalo sy nivoaka tamin’ny Ecole normale supérieure (ENS) ary miasa 10 taona ny chef Cisco”, hoy izy ireo. Nam­pitandrina sy nilaza handray andraikitra manoloana izany zava-misy izany ny fikambanamben’ny sendikà misehatra eo amin’ny fanabeazana raha mbola mitohy izany.

Mino

Partager sur: