Fisorohana ny fiakaran’ny rano: napetraka ny Balise limnométrique 

Hotanterahina mandritra ny 10 andro ny fametrahana ny  balise limnométrique  ao amin’ny kaominina izay iasan’ ny WHH, anatin’ny tetikasa « Wahafa » (Welthungerhilfe Anticipation Humanitarian Action Facility). Tafiditra ao anatin’ny asa fiomanana mialoha izay iandraiketan’ny tetikasa ahafahan’ny fokonolona misoroka mialoha ny mety ho fiakaran’ny rano eny amin’ny toerana misy azy ireo ny fametrahana izany. Ny kaominin’ny Tranomaro, fokontany Androplanina, ao amin’ny reniranon’i Betroka no nametrahana ny Balise limnométrique. Ny an’i Behara kosa, ao amin’ny fokontany Heli­bondro I, ao amin’ny reniranon’i Mananara no nametrahana izany, ho an’ny distrikan’Am­boasary. Nanatrika sy nomena fahalalana momba io fitaovana io ireo komity avy ao amin’ny ELS.
Hotohizana any amin’ny kaominin’ny prefektioran’i Taola­gnaro, ny fametrahana ny Balise limnométrique. Tom­bontsoa lehibe ho an’ny faritra Anosy ny fananana ireo fampitaovana ireo noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro amin’izao vanim-potoana iainantsika izao hampihenana ny fiantraikan’ny loza amin’ny vahoaka sy ny fotodrafitrasa.
Iray amin’ny asan’ny WHH ny fanohanana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny faritra atsimon’i Madagasikara, nanomboka ny taona 2017 no ho mankaty. ONG niforona tany Allemagne izy ity ary nisehatra teto amintsika nanomboka ny taona 1992, amin’ny lafiny maro.

Vonjy

Partager sur: