Toeram-pivoriana sy fiofanana: Notokanana, omaly, ny Tranom-biavy Toamasina

Notokanana omaly, tao amin’ny fokontany Sahavola, kaominina Fenoarivo Atsinanana ny tranom-biavy. Natokana hivoriana sy hiofanan’ny vehivavy, mba handratoana fahalalana sy hampitomboana traikefa ary hampahaleo tena azy ireo amin’ny sehatry ny asa fitadiavam-bola. Tonga nanotrona izany, tany an-toerana, ny minisitry ny Fitsarana, misolo toerana ny ministiry ny Mponina, Randriamanantenasaoa Landy Mbolatiana.
Antony iray nananganana ny trano ny fangatahana sy ny filan’ny vahoaka sy ny vehivavin’i Fenoarivo Atsinanana. “Zava-dehibe ny fahavitan’izao tranom-biavy izao satria ahafahana mifampizara hevitra sy traikefa ary fahaiza-manao eo amin’ny samy vehivavy”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, mba hahatongavana amin’ny fahavitan-tenan’ny tsirairay ihany koa.

Nentanina hamokatra tetikasa ny vehivavy
“Lehibe ny fifamatorana sy fifandraisantsika ary lehibe mitovy amin’izany ny toerana misy ny vehivavy”, hoy ny filoha, Andry Rajoelina nandritra izany. Nilaza izy fa tokony hivory sy hamoaka tetikasa iarahana ireo fikambanam-behivavy maro. Hanampy sy hanohana izany ara-bola, amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, ny filoha, raha ny nambarany hatrany. Taorian’ny fitokanana ity fotodrafitrasa ity, nasaina nivory ireo fikambanam-behivavy. Nahitana ny vehivavy zokiolona sy ny vehivavy mananotena.
Niantso ny amin’ny fikojana ny fananana iombonana sy firaisankinan’ny vehivavy ny minisitra tomponandraikitra nandritra izany. Ankoatra izay, nilaza ny filoham-pirenena fa hojerena ihany koa ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana.

Lin

Partager sur: