Ifotony misy fotony

 

Tsy misy fotony? Na antony, na dikany… Amin’izao, atao ny fidinana ifotony ary imasoana ny fampandrosoana ifotony. Hanao ahoana? Efa fantatra izay mampikaikaika ny vahoaka hatramin’izay, tsy mbola tena voavaha amin’ny fomba mahomby sy azo antoka ary maharitra matoa tsy mahafa-bela. Voalohany amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, fa misy faritra tena anjakan’ny asan-dahalo sy fakana an-keriny. Midangana hatrany koa ny vidim-piainana, fa tsy mahasehaka ny fahefa-mividy. Miara-dalana eo ny tsy fisian’ny asa, ny vidim-bokatra ambany, ny famokarana tsy hita be ihany…
Ahoana no hamahana izany rehetra izany? Na eo aza ny finoana sy fanantenana ary fitiavana, ilaina ny mihetsika fa tsy miandry fotsiny. Eo koa ny fahavononana, fifanomezan-tanana, faharetana… Tena tapa-kevitra ho amin’ny fandrosoana ve ny eny ifotony? Tsy ny vahoaka ifotony ihany izany fa ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Izay no maha zava-dehibe ny fitsinjaram-pahefana tena izy miainga any ifotony. Hatraiza? Na eo amin’ny fanapahan-kevitra, na vola iasana, na fitaovana, na olona… Matoa mbola idinana, mbola tsy mahatapa-tena sy mahazaka tena?
Mila mazava ny hoe: iza no manao inona, aiza ary hatraiza? Tena ifotony ny raharaha: ny any ifotony, ohatra, no mahita sy mamaritra izay fandrosoana tadiavina. Omena azy ny vola iasana, fitaovana, olona… Mba manampy sy manara-maso amin’ny fomba hentitra sy mitohy ny fitondrana foibe amin’izay. Tsy efa karazan’izay ve ny fomba fiasa amin’izao? Mba hahitana vokatra haingana sy mivaingana… Eo, ohatra, ny asa amin’ny alalan’ny hoe sekretariam-panjakana. Andrasana fatratra… Inona na ahoana koa ny manaraka? Mba hisy tokoa ny hoe fijerena ifotony, fampandrosoana ifotony…

R. Nd.

Partager sur: