Fampianarana Ambony : minisitra vonjimaika Ravokatra Fidiniavo

Ny minisitry ny Rano, fidiovana sy fahadiovana, Ravokatra Fidiniavo, no misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafi­harison Andriamanantena, rehefa nisafidy hanohy ny lalana politika ity farany. Natao omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta.
Nilaza ny minisitra mpisolo toerana fa manana ny lanjany sy ny lentany amin’ny fampandrosoana ny firenena ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hanohy ny ezaka efa vita araka ny efa voasoritra ao amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny tenany. Miantso ny mpiara-miasa sy ny fianakaviamben’ny minisitera hifanome tanana hanatrarana ny tanjona.
Tetsy andaniny, nilaza ho afapo tamin’ny asa vitany ny minisitra teo aloha. Nanamarika ny fe-potoam-pitantanany ny fanatanterahana ny asa mandritra ny 100 andro. Porofon’izany ny fitokanana ny Oniversiten’Analanjirofo, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny 92 andro nitantanana, tratra ny tanjona tamin’ireo fanamby rehetra napetraka, raha ny fanazavany.

Tatiana A

Partager sur: