Hosodoko, sary, sokitra… : manan-talenta saingy tsy ampy fiofanana ireo ankizy

Maro ny liana. Tsy tapaka olona mihitsy ny toerana natokana ho an’ny hosodoko, sary, sokitra, sns, nandritra ny “Tokotany be” tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny faran’ny herinandro teo. Tsapa nandritra izany fa tena maro ireo ankizy manan-talenta ary te hitrandraka bebe kokoa izany. Nisy ireo fampiofanana kely teny an-toerana, izay nataon’ireo mpanatalenta efa matihanina, izay nahasarika mpandray anjara maro dia maro. Mpianatra avy any amin’ny se­kolim-panjakana sy sekoly tsy miankina vitsivitsy izy ireo.
“Izaho hatramin’ny fahakeliko no liana tamin’ny fanaovana sary. Nanomboka tamin’ny fam­piasana pensilihazo aho, sy ny stylo. Mba faniriako hatra­min’izay ny hanatsara izany, saingy lafolafo ny fitaovana no tsy mbola afaka namonjy fianarana manokana ihany koa. Teto kosa maromaro ny traikefa nozarain’ireo zoky taminay, ka ezahina hampiharina tsikelikely”, hoy ny nambaran’i Toky, mpianatra, anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fiofanana izay nokarakarain’ny Ofisim-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina, na ny Ofnac.
Toa an’i Toky, maro koa ireo namany nirona kokoa ta­min’ny hosodoko. Mbola nizara ho karazany maro izany, arakaraka ny teknika safidin’ny mpanakanto. “Tsy vita man­dritra ny fotoana eto ny fampianarana manontolo, fa ny fototra no tena zarainay, dia ampiana ireo mpianatra hitrandraka ny talentany arakaraka ny aingampanahiny”, hoy ny mpampiofana iray.
Samy nankasitraka sady mbola miandrandra hetsika hafa toa ny “Tokotany be” ny re­hetra, hivelaran’ireo taninke­tsan’ny zavakanto bebe kokoa.

Zo ny Aina

Partager sur: