INDRAY MIJERY

Tao Ambovombe no nanatanterahina ny fihaonambem-paritra ho an’ny fahasalamana, ny faran’ ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza amin’ny fijerena manokana ny fahasalaman’izy ireo sy ny zatovo, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahasalamana ara-pananahana.
10 taona mahery no nijoroan’ny fikambanana Autisme Madagascar. Efa tanora sy adolantsento avokoa ny ankamaroan’ireo zaza noraisina an-tanana teny am-piandohana, ankehitriny. Betsaka ny fanontaniana manitikitika ireo ray aman-dreny momba ny fahamaotinana. Hitondra ny andinindininy momba izany ny La classe maman ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Les Colibris Mahamasina.
EPP manara-penitra misy efitrano 4 ahitana efitranon-tsekoly 2 sy birao 1 ary trano famakiam-boky 1 no hatsangan’ny faritra Anosy amin’ny alalan’ny kitapombolany madiodio. Hatsangana ao amin’ny fokontany Ambinanibe, kaominina Faradofay, ny fotodrafitrasa hanamorana ny fandehanan’ny ankizy an-tsekoly.
Manao antso ny Tily eto Madagasikara amin’ ireo mpikambana ao aminy hifanome tanana amin’ny fikarakarana ny lasy jobily faha-100 taonan’izy ireo. Na Tily na sakaizan’ny Tily na ireo vonona sy malala-tanana dia nanaovan’izy ireo antso avo avokoa. Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny faha-100 taonany rahateo izy ireo.

Partager sur: