Karama farany ambany : arahi-maso ny fampiharana ny didy

Raikitra ny hetsika “Opé­ration coup de point”, tanterahin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana (MTEFP). Hotanterahina amin’ny alalan’ ny fidinana ifotony ataon’ny eo anivon’ny minisitera any amin’ ny faritra 23 izany ka hanomboka ny faran’ny avrily hatramin’ny mey izao. Tafiditra amin’ny fampiharana ny didy momba ny karama farany ambany eto amintsika izany. “Manentana antsika mba hampihatra izany eo anivon’ny toeram-piasana…”, hoy ny minisitry ny MTEFP, Razaka­boana Hanitra, ny herinandro teo, tany Toama­sina. Nam­barany fa omena lanja hatrany ny dinika ka hirosoana ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny mpampiasa ary ny mpiasa afahana mijery ny fiahiana ny mpiasa sy ny lafiny sosialin’izy ireo ary koa ny asa mendrika, araka ny fanambarana hatrany. “Itakiana vokatra tsara kosa anefa izany fanatsarana ny tontolo iainan’ny mpiasa izany”, hoy ihany ny MTEFP.

Tsiahivina fa efa fanombohana izany ny fidinanana ifotony nataon’ny minisitra amin’ny orinasa iray “Call center”, mampiasa olona an-jatony ao Toamasina. Narahi-maso tamin’izany ny fampiharana ny didim-panjakana ho amin’ny karama farany ambany.

Nasongadina nandritra ny fifampiraharahan’ny telo tonta ny anjara biriky tokony horaisin’ny tsirairay amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa amin’ ny ankapobeny.

Synèse R.

Partager sur: