Manadio dia manokatra!

 

Nanaitra ny mpanara-baovao ny tsindrom-paingotra nataon’ny tompom-pahefana tamin’ny governora iray ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona nomeny fitokisana sy tsy azo nohozongozonina mihitsy. Firifiry ny fitarainana nataon’ ny mponina tany an-toerana sy ny mpanao politika saingy, tsy nandairan’izany izy. Mafy rahateo ny hazondamosina niaro azy, araka ny feo niely.
Tranga izay ahafahana manokatra adihevitra sy mitondra famakafakana misimisy kokoa ireny. Be loatra ny mpanao fiaron’amboalahy antitra ao an-dapa, manakaiky ilay Filohan’ny Repoblika. Sady tendan-kanina kanefa tsy hita be ihany izay tena asa mivaingana vitany. Ny traikefany aza no saika nahakofona ny fitondrana, nialoha kely ny fifidianana. Iza no tsy nisahirana tamin’ny asa goavana nitadiavana ny fomba nandresen-dahatra ny mpifidy mba hampandany ny kandidà Rajoelina Andry, tamin’ny fihodinana voalohany?
Manomboka indray ny fotoam-pitondrana faharoa, raha araka ny fifidianana, fa fahatelo kosa raha miampy ny dimy taona teo amin’ny tetezamita. Tsy mbola tara raha miroso amin’ny fanadiovana izay afaka manao izany. Mijery izay olona tena vonona ny hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany. Be loatra ny mpandoto rano mila ailika. Misy ny avotry ny fisolelafana faratampony sy ny kitranoantrano fotsiny.
Miara-dalana amin’izay, tsy maintsy manokatra varavarana ihany koa. Tsy tokony hisy ny fomba fijery diso. Firifiry ny teknisianina afaka ampiasaina sy azo alaina ho mpiara-milalao. Noho ny halako bika sy tsy tiako tarehy dia lazaina fa loko politika izatsy na mpanohitra avy aroa. Misy amin’ny mpiara-miasa amin’ny filohan’ny Repoblika no tsy manan-katao afa-tsy ny mikapa ranjo. Tsy fotoan’izany intsony izao: mila mamafa tokotany ny filohan’ny Repoblika dia manokatra varavarana mba hidiran’ny rivo-baovao sy madio.

r.r

Partager sur: