TARATRY ny KANTO

« Ny hafatr’ireo tavoahangy plastika ». Boky vaovao navoakan’ny edisiona Tsipika izy ity, nosoratan-dRasolondraibe Ando Nantenina na i Voniary, ary noravahan-dRakotoarivelo Vonona Zo. Hisy ny fampahafantarana izany arahina rango-pohy ny boky rahampitso alarobia 24 avrily, manomboka amin’ny 10 ora etsy amin’ny Tranomboky Tsipika Ambohijatovo.
« Ariela sy Arilay ». Bokin’ankizy nosoratan’ Andrianavalontseheno Haritiana, izay noravahan-dRakotoseheno Sitrakiniaina izy ity. « Ny zaridainakeliko » kosa ny boky faharoa, nosoratan-dRasolondraibe Ando Nantenaina na i Voniary, izay noravahan-dRa­naivoarisoa Lalatiana. Ireto kosa indray dia boky navoakan’ny edisiona Edirar, izay hivoaka voalohany rahampi­tso 24 avrily, manomboka amin’ny 2 ora, any amin’ny trano fivarotam-boky Fakra, Toamasina.
Mbola miaina ao anatin’ny tsy fahalalana hatrany ny Malagasy. Mi­songadina kokoa ny fomba amam-panao. Anisan’ny he­verin’ny mpikaroka sasany ho anton’izany ny tsy fahampian’ny fanazavana. Fady ny mandevina andro alakamisy. Fa maninona? Satria tsy mahazo valiny mazava ny tanora, avadiny ho finoanoam-poana izy ireny!
Efa madiva hifarana ny hetsika « Lire en fête ». Amin’ity anio ity, ny hetsika « Recits en melodie » no ho hita eny amin’ny AFT Andavamamba. Fitantarana angano, laroina hira maro samihafa izy ity, iarahana amin’ny mpandresin’ny fifaninanana Vaky teny sy hira eo anivon’ny AFT.

Partager sur: