ankizy manana fahasembanana : mpitondra teny i Gilardy Totozandry

Mpitondra tenin’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny fahasamihafana (manana fahasembanana na toe-tena varira), nanomboka omaly, i Gilardy Totozandry. Tohanan’ny Unicef izy amin’izany andraikitra izany. Manana toe-tena varira i Gilardy ary nahatsapa fa niteraka fanilikilihan’ny fiarahamonina izany. Nanomboka ny fahenin-taonany izy no nijoro hiady amin’ny fanilikilihana ny olona samihafa niaraka amin’ny ray aman-dreniny. Nisy fiantraikany teo aminy ny fihetsiky ny fiarahamonina tany an-dakilasy nefa tsy nahasakana azy hilofo tamin’ny fianarana izany. 21 taona izy ankehitriny ary taona voalohany ao amin’ny IST Antsiranana, anatin’ny lalam-piofanana fizahantany sy fandraisam-bahiny. Hanao ny ezaka rehetra hanafoanana ny fanilikilihana ireo olona samihafa eny anivon’ny fiarahamonina i Gilardy ary ho mpitondra tenin’izy ireo koa manoloana ny fitondrana sy ny sehatra samihafa, toy ny sekoly, ny fikambanana…Toy ny ankizy rehetra manana anjara hisitraka ny zony ireo manana fahasamihafana. Natao sonia, omaly, ny andraikitra vaovao eo aminy sy ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, i Christine Jaulmes, nanotrona ny talem-paritry ny Unicef aty Afrika ho an’ny tapany Atsimo sy Atsinanana, Etleva Kadilli. Niara-niasa tamin’ny Unicef momba ny fampanajana ny zon’ny ankizy i Gilardy, ny taona 2020, no ho mankaty. Nisy solontenan’ireo ankizy manana fahasembanana maromaro nandritra ny fanaovan-tsonia, omaly, teny Ammbodivona.

Vonjy

Partager sur: