Fanahy fa tsy hery

 

Olana iray goavana mbola sedrain’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fifehezana ny tsy fandriampahalemana. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka vita eny an-kianja saingy mbola lavitra ny fanamby. Efa maro ny dinidinika nizahana vahaolana momba izany. Betsaka ny fehin-kevitra nivoaka. Asa sy fampiharana sisa andrasana.
Maromaro ny hetsika manokana fampandrian-tany natao izay. Nisy ny vokatra azo noraisina, efa nisy fiantraikany mivantana sy tsara teny anivon’ny fiarahamonina. Tsy mbola ampy anefa izany noho ny tsy fahampiana arak’olona sy ny fitaovana hoenti-miasa any ifotony. Antso avo hatrany no hatao amin’ny fanjakana mahefa mba hijery sy hanao vaindohan-draharaha ny fiara tsy mataho-dalana sy ny moto ho an’ny vondron-tafika na ny biraon’ny zandarimaria any ambanivohitra.
Firifiry aza moa ny kaompania, tsy lavitra akory an’Antananarivo, no tsy manana fitaovam-pitaterana. Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana tiana hotratrarina ny tsy fahatomombanana amin’ny fitandroana ny filaminana. Rano sy vary tsy afa-miasaraka ireo. Marina tsy ho voavaha anatin’ny indray mipi-maso ny zava-drehetra saingy misy ny vaindohan-draharaha sy lohalaharana.
Tsy voatery ho fampitaovana mba ho fampisehoana hery fotsiny anefa no mahavaha ny olan’ny fandriampahalemana. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy ny fomba fitenin-dRamalagasy. Ny olombelona samy olombelona, miara-mitady vahaolana arakaraky ny hodidina misy any ifotony no mahita izay lalan-kizorana.
Mila manova fomba fiasa ny herivelona rehetra anatin’ny manontolo lehiben’ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana. Efa zava-dehibe ny fidinana ifotony, toy ny fanapariahana ireny fivorian’ny Organe mixte de conception, OMC, ireny. Mainka zava-dehibe ihany koa ny fanakaikezana ny vahoaka sy ny fampandraisana andraikitra azy ireo.

r.r

Partager sur: