INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanamarihana ny Volan’ny miralenta ataon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Nentanina momba izany ary ny ady amin’ny herisetra sy ny tombontsoa azo amin’ny fandrindram-piterahana ireo ray aman-dreny mpiofana ao amin’ny foiben-dry masera ao Manazary, Miarinarivo Itasy.
Miara-miasa ny oniversiten’i Fianarantsoa sy ny oniversite frantsay, vatsian’ny AFD vola. Nosokafana tamin’ity herinandro ity, araka izany, ny Université d’été izay tetikasa “Madatlas”, iarahana amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy ny fandaharanasa Eaurizon. Hampiroborobo ny fampianarana ao amin’ny oniversite ny tetikasa.
Manelanelana ny ankizy manana fahasembanana hanala ny sakana tsy ahafahan’izy ireo misitraka ny zony manoloana ny fiarahamonina ny ONG Merci. Omena tantsoroka ny ankizy, ohatra ny fampitaovana, ahazoany mianatra toy ny kilonga rehetra. Ao anatin’ny fampandrosoana mampiaty izany ka miaina eny anivon’ ny fiarahamonina ihany koa izy ireo.
Notanterahina tao amin’ny Centre national de coordination des opérations d’urgence, anivon’ny BNGRC, ny fivorian’ny mpikambana ao anatin’ny Groupe sectoriel logistique, notarihin’ny tale jeneraliny. Nodinihina tao ny fananganana sehatra iray ho fitantanana ny fifandraisana sy fampitam-baovao. fandefasana fitaterana ao Toamasina hihazo any avaratra ary ny fandrafetana an-tsarintany ny zavatra ilaina.

Partager sur: