Loto ateraky ny plastika: nitady vahaolana ny manam-pahaizana

Fampihaonana ireo manam-pahaizana mba hifanakalo hevitra sy hiara-hitady vahaolana amin’ny ady amin’ny fandotoana ateraky ny plastika no nataon’ny masoivoho amerikanina, ho fanamarihana ny Andron’ny tany, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Noresahina koa ny momba ny fitantanana ny akora simika sy ny fako, ny rariny sy ny hitsiny momba ny tontolo iainana sy ny toetr’andro ary ny fiarovana ny harena an-tanety sy an-dranomasina.
Nitarika ny adihevitra ny mpanolotsaina momba ny politika sy toekarena eo amin’ny masoivoho amerikanina, Julianna Ki. Nanao fizarana kosa Rakotosamimanana Rado, maintimolalin’ny fandaharanasa “Yali Mandela Washington Fellowship”.
Laharam-pahamehana ho an’i Etazonia ny lohahevitra amin’ity taona ity dia ny “Planeta sy ny Plastika”. Manohana ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny fampihenana ny loto sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Etazonia.
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Miara-miasa amin’ireo firenena sy ireo mpisehatra maneran-tany mba hamolavola fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fandotoana ateraky ny plastika i Etazonia.

Tatiana A

Partager sur: