TARATRY ny KANTO

Hiandraikitra vonjimaika ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, Rafaravavitafika Rasata, minisitry ny Raharaham-bahiny. Tontosa omaly, tao amin’ny efittrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra Andriamananoro Augustin. Ito farany izay nametra-pialana noho izy ho kandidà solombavambahoaka.
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny “Tranga”, rakikira fahatelon’i Lemanana. Mirakitra hira 10, izay anatin’ny sokajy “world music” izy ity. Efa tamin’”ny andron’ny Covid 19 no tokony ho nivoaka ny vokatra, saingy izao vao tontosa. Nasiam-panatsarana izany, niarahany tamin’ireo mpanakanto namany maro. Navoaka amin’ny endriny CD fa hivoaka amin’ireo tambajotra fanjifana hira rehetra izany, aoriana kely.
Hiverina etsy amin’ny Piment Café ny Les Talenta. Anisan’ny tarika nahavita ora efatra tsy an-kiato tao amin’ity toeram-pialamboly ity ry Inah, Fanilo Poppins ary i Mbola Talenta. Malalaka sy mivelatra ny fandaharan-kira, ka maro ireo vaovao hanampy ny efa be mpankafy, hoentin’izy ireo ny zoma 26 avrily ho avy izao.
Hanatanteraka seho any Amoron’i Mania (Ambositra) ny Tanora masina Itaosy, ny alahady 28 avrily izao. Tsy ho lalovam-potsiny, anefa, Antsirabe. Ny sabotsy 27 avrily, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FLM Antsirabe an-tampon-tanàna no hanoloran’izy ireo rindrankira lehibe. « Raha miaritra isika dia hiara-manjaka Aminy », (II Tim 2 :12) ny lohahevitra nofidin’ny sampana Skoto Fiv. I FLMAA, amin’izany.

Partager sur: