Tarika Gen Rosso : hanao hetsika maro eto Madagasikara

Hanatanteraka fitetezam-paritra eto Madagasikara, ma­nomboka ny 27 avrily 2024 hatramin’ny 18 mey 2024 ho avy izao, ny tarika Gen Rosso. Hanotrona azy amin’izany ny tarika Lahely. Italy no niavian’ny tarika Gen Rosso, saingy samy manana ny fiaviany kosa ny mpikambana ao aminy. Malagasy mikalo ny hiran’ity tarika ity eto Ma­dagasikara kosa ny tarika Lahely. Antsirinala, Mora­man­ga, Betafo, Antsirabe, Toliara ary Antananarivo no hisitraka izany fitetezam-paritra izany. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny atrikasa maro samihafa, hataon’izy ireo. Hifampizara sy hitondra fiombonana sy firahalahiana no tanjona ao anatin’izao fitetezam-paritra izao.
Anjaran’ny eto Madagasi­kara indray ny mandray ny ta­rika Gen Rosso, taorian’ny tao Cameroun. Fanindroany amin’izao ry zareo no tonga eto Madagasikara. Efa nisy tamin’ny ampahany tamin’ny tarika mantsy tonga teto ny taona 2022. Ny taona 1966 no niforon’ny tarika. Fanambin’izy ireo kosa ny hivoatra hatrany, manaraka ny zava-misy, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny kanto sy ny kolontsaina. Ny gadona “Rock Pop international” no iangalian’izy ireo amin’izany. Somary nirona nankany amin’ny “Acoustique” kokoa raha ny fampisehoana farany nataony teto Madaga­sikara. Hampiakarina kely ary somary ho avo lenta kokoa izy amin’ity, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Lin

Partager sur: