Tranomboky : mandray boky tonta

Misokatra sy mandray boky tonta na tsy miasa intsony ny tranomboky Analakely nanomboka omaly hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Tsy ao ihany fa misandrahaka amin’ireo tranomboky 16 manerana ny boriborintany enina ihany koa izany. Zavatra kendrena ny hampirisihana sy hifampizarana fahalalana. Hanamafisana ny fahazahoana mamaky teny ao anatin’ny fiarahamonina ary hampanan-karena ny tahirim-boky ihany koa, raha ny fanazavana voaray. Tanjona ny hampiroboroana ny famakian-teny sy ny kolontsaina ary ny zavakanto. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fampirantiana ireo sary hosodoko novokarin-dRaparivo. Nampitondraina ny famantarana hoe “Hosodokon’Iarivo”. Hisongadina amin’izany, ny sanganasa ho lasa entam-barotra sy ho haingon-trano. Andiany voalohany ny hetsika, eo ambany fiahian’ny sampandraharahan’ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona, omaly, ny hetsika. “Andeha hanome fiainana faharoa ny bokintsika” sy ny “Zon’ny mpamorona sy ny fampiasana sary hosodoko eto Madagasikara” ny lohahevitra amin’izany.

Mino

Partager sur: