Fiforonana rivodoza : ahina hanomboka amin’ny herinandro

Tsy mbola ahina ny hisian’ ny rivodoza amin’ity herinandro ity (22 hatramin’ny 28 avrily), fa mety hanakaiky an’i Ma­dagasikara na dia mety hisy fiforonana rivodoza aza ao avaratra atsinanan’i Mada­gasikara ny faran’ny herinandro izao, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Amin’ny herinandro manaraka kosa (29 avrily hatramin’ny 5 mey ), ahina ny fiforonana rivodoza hanakaiky an’i Madagasikara. Raha ny vinavina amin’izao, atahorana ny hisian’ny rivodoza hanakaiky ny distrikan’Antsiranana, Ambilobe, Nosy Be, Ambanja, Vohemar, Sambava, Antalaha ary Andapa. Kely kosa ny fanahiana ho an’ny distrikan’i Maroantsetra, Mananara Ava­ratra, Sainte Marie, Soa­nierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Toa­masina, Analalava, Beala­na­na, Antsohihy, Befandriana avaratra ary Mandritsara. Ampirisihina, araka izany, ireo distrika ireo ny hanarahana akaiky ireo antontam-baovao farany momba ny vinavina ho an’ny toetry ny andro manomboka ny faran’ny herinandro izao.
Mbola mijanona hafana hatrany ny atoandro saika manerana ny Nosy ary hisy hatrany ny zavona ny maraina ho an’ny afovoantany.

Vonjy

Partager sur: