Fipoahana teny Ampanotokana : navaozina ireo trano voakasika

Navaozina sy naverina amin’ny laoniny ireo trano rehetra lasibatry ny fipoaham-bato tao Manavoandro, fokontany Amboniavaratra, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambo­hi­dratrimo, afakomaly. Nitriatra ka simba ny tranon’ankamaroan’ny mponina teny an-toerana, vokatry ny fandalovan’ireo fiara lehibe miasa eo anivon’ny orinasa Tozzigreen. Tsy nitazam-potsiny, nidina ifotony ary nifampiresaka mivantana tamin’ny tompon-trano lasibatra ny solontenan’ny orinasa. Naverina tamin’ny laonina ny trano. “Ankasitrahana ny fitondram-panjakana, indrindra ny orinasa Tozzigreen tamin’ny fandraisana an-tanana ny trano”, hoy ny nambaran-dRasoa­manandray Elisabeth, tompon-trano voakasika. Nisitraka simenitra kosa ireo tompon-trano sasany. Notokanan’ny tale jeneralin’ny Tozzigreen sy ny ekipany niaraka tamin’ny tompony ilay trano vao navaozina io, afakomaly.

Tsiferana R.

Partager sur: