Madajazzcar 35 taona : raikitra ny « Interna­tional Jazz Day »

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny jazz sy ny faha-35 taonan’ny hetsika “Madajazzcar”. Hotanterahina eto Anta­nanarivo ny 30 avrily sy any Antsirabe ny 1 mey izao ny fanamarihana ny « International Jazz Day ». Ho an’Antananarivo, ao amin’ny Le Point d’exclamation Louange Bar Analakely no hanatontosana ny seho, izay hizara roa.
Fizarana voalohany, hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva, hiarahana amin’ny Jazzeology, tarihin’i Elie Ramasin­draibe. Niaina Razafindraibe Quartet hoentin’i Niaina Raza­findraibe. Ny Quartetman tarihin’i Manjaka Rakoto David. Mamory Jazz Band hoentin’i Hasina Rakotoarimalala.
Fizarana faharoa, hiarahana amin’i Joël Rakotomamonjy fanta-daza amin’ny fahaizany mitendry zavamaneno maro. Tsy handeha irery izy eto fa hifarimbona amin-dry Datita Rabeson, Eric Rakotoary, Andry Rama, Nali Rabarison, Titi Razakamiadana. Handray anjara ao ihany koa i Zara Rajaona.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: