« Projet Ressources Educatives » : mitohy ny famoahana ny boky tohanan’ny tetikasa

Nitohy ny famoahana boky ao anatin’ny “Projet Ressour­ces Educatives de l’IFM”. Teny amin’ny Trano fivarotam-boky “Tsipika” Ambohija­tovo sy tany amin’ny “Fakra” Toamasina no nandray izany hetsika izany, omaly. Ny boky « Ny hafatr’ireo tavoahangy plastika », « Ariela sy Arialy » ary « Zaridainakeliko » no na­voaka nandritra izany. Ankizy mpianatra, Ray aman-dreny, mpampianatra, mpanoratra ary mpisehatra eo anivon’ny boky sy ny vaky boky no tonga nanatrika izany lanonana izany. Raha tsiahivina, bokim-panabeazana, nosoratana mpanoratra, mahazo tohana avy amin’ny tetikasa ireo boky navoaka ireo. Natao izao ho fanomezana tosika ireo mpanoratra sy fampiroboroboana ny tontolon’ny boky sy ny vaky boky, indrindra ny ho an’ny ankizy sy tanora.
Miisa roa ny mpanoratra nanoratra ireo boky nivoaka ireo. “Ny Hafatr’ireo tavoahangy plastika” sy ny “Ny zaridainakeliko”, nosoratan-dRaso­londraibe Ando Nante­naina na Voniary, niaraka tamin-dRako­toarivelo Vono­na Zo, teo amin’ny sary. Teo ihany koa ny “Ariela sy Arialy”, an’Andrianavalontse­heno. Amin’ny ankapobeny, natokana ho an’ny ankizy izy ireo. Boky natao anentanana ny fikajiana sy fikoloana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny tsy tokony hanapariahana sy anariana eny rehetra eny ny tavoahangy plastika. Eo ihany ny fanentanana ny ankizy hamboly sy tsy hanimba fahatany ny zavamaniry.

Lin

Partager sur: