TARATRY ny KANTO

Hisy sampan’ny Iarivo Art & Academy eny Antaninarenina. Sampana faharoa, ankoatra ny foibe eny Ampandrana izy ity. Hisokatra voalohany ny 8 mey izao izany toeram-pampianarana mozika izany. Fampiana­rana karazan-javamaneno, toy ny piano, gitara, gitara beso, lokanga, valiha, sns, no ao izay hosahanina mpampianatra matihanina.
Anisan’ny hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Dihy, ny eto Madagasikara. Ny 29 Avrily 2024, eny amin’ny Tranom-pokonolona Analakely no hanatanterahina izany. Fampisehoana sy hetsika misokatra ho an’ny rehetra no hameno ny fandaharam-potoana. Hisy ihany koa ny mpandihy matihanina handravaka ny hetsika.
Mitohy hatrany ny fampiratiana ireo asa tanan’ny ankizy mpianatra, misehatra ao anatin’ny Tetikasa Kanto Manabe. Ankoatra ny fampiratiana, atrikasa momba ny fampiasana lokorano sy velakevitra mahakasika ny akon’ny indostria ara-java-kanto no hita teny amin’ny Ivokolo Analakely, omaly. Marihina fa hitohy hatramin’ny 3 mey 2024 ny hetsika.
Lasa mpahay momba ny “zavapanahy” avokoa ny Malagasy! Raha ny tantara, tena izay tokoa no nisy teto fahiny. Saingy, rehefa tafiditra ry zareo vahiny, niova ho finoana izany. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny ma­merina ny Malagasy ho any amin’ny fahalalana niainany taloha. Noho izany, mitaky fitandremana fatratra ny zava-boalaza na ranty any amin’ireny tambanjotran-tserasera ireny!

Partager sur: