Tokony homen-danja ny teny malagasy : mila sokafana amin’ny fahamaroan-teny ny ankizy madinika

Misy fikaonan-doha karakarain’ny mpampianatra mpikaroka sy mpampianatra mikaroka momba ny fahamaroan-teny sy ny fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina, ny fampianarana ary ny sehatra maro mampiasa teny eny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS), mandritra ny hateloana.

Maromaro ny teny entina mifanerasera eto Madagasikara : teny malagasy ofisialy, teny frantsay, mandarin, kaomorianina…eny anivon’ny fiarahamonina, hoy ny lehiben’ny ivontoeram-pikarohana momba ny fahamaroan-teny, ny profesora Randriamarotsimba Volo­lona. Hita tao anatin’ny fikarohana natao fa tsy omen-danja ny teny malagasy eto Mada­gasikara fa ny teny frantsay no manjaka. Ho an’ny teny enti-mampianatra ny roa taona voalohany ihany no ampi­asaina ny teny malagasy fa manomboka amin’ny taona fahatelo hatreny amin’ny oniversite dia ny teny frantsay no hampitana ny lesona rehetra. Vokany, izay no iainan’ny ankizy sy tsapan’ny ray aman-dreny ka tsy manome lanja ny teny malagasy intsony ny fiarahamonina, araka ny fanazavany ihany. Vahaolana hitan’ny mpikaroka ny fanokafana ny ankizy madinika amin’ny fahamaroan-teny, ka tokony homeny lanja ny tenindreny. Mitovy lenta amin’ny teny frantsay, anglisy sy ny teny hafa hifaneraserana ny teny malagasy ary mbola mampiasa azy ny 70%-n’ny Malagasy any ambanivohitra ka tsy ho very mihitsy. Zava-misy koa amin’ny teny enti-mampianatra ny fampifangaroana ny teny frantsay sy malagasy miaraka rehefa manazava any an-dakilasy. Tokony hametrahan’ny fanjakana politika izay toy izany koa ny fitenim-paritra.
Mandritra ny fivoriana eny Ampefiloha, 63 ny velakevitra entin’ny mpikaroka momba ny fahamaroan-teny eny amin’ny fiarahamonina, amin’ny sehatra maro sy ny fampianarana. Efa niara-niasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny mpikaroka momba ny politikan’ny teny enti-mampianatra. Mpikaroka (sociolinguiste, didacticien, physicien…) amin’ny fakiolte maro no mivondrona manao ny fikarohana satria samy mampiasa teny avokoa.

Vonjy

Partager sur: