Tsy ho tratry ny tampoka

 

Mbola vaovao mafana, mitazona ny sain’ny maro ny mahakasika ny fifidianana ho avy izao. Efa any anatin’ny fanomanana sy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny kandidà sy ny mpanohana azy. Manao izay ho afany avokoa. Ankoatra ny mamim-bahoaka, ny vola rahateo samy manana. Matoa nahasahy nandoa ny anto-bola 20 tapitrisa Ariary, manana ny avo folo heny ahafahana manao fampielezan-kevitra.
Tsy kilalaon-jaza no miandry ny mpitady toerana. Zava-dehibe sy imatimatesana ny fahazoana ilay tsy maha matimanota. Mibaribary loatra fa misimisy ny kandidà izay efa tsy “izy” no mbola afaka milatsaka na misisika mihitsy ny halatsaka hofidina. Ny mahavarina, misy tokoa ny mahazo alalana hanao. Atao ahoana moa fa io ady fiady, samy mikatsaka ny tombontsoany manokana.
Tiana hisintonana lakolosy anio anefa, mahakasika ilay fitsipi-dalao toa sadasada. Marina fa miainga amin’ny lalàna sy ny fanenjehana anaty fenitra avokoa ny haza lambo atao amin’ny kandidà sasany. Aiza ka fotoana fohy mialoha ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra no mivoaka ny fampidirana am-ponja sy fisamborana olona? Ireto farany izay efa neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny filatsahany hofidina.
Mila fitoniana mba hahamari-toerana azy ny fitondrana, ankehitriny. Izay rahateo no imatimatesana sy itadiavana ny fomba rehetra mba hahazoana ny maro anisa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Ny zava-misy anefa, misy amin’ny mpanohana fitondrana no diso mila “ranondranony” loatra.
Mitady fitiavana ambonimbony kokoa amin’ny olona tohanana ka dia manipy hoditra akondro.
Zary manangam-pahavalo ato anatiny ny mpanao politika sasany. Efa iaraha-mahita anefa ny mety hisian’ny fitsimbadihana tampoka rehefa ho lava reny ny jadona sy ny fiheverana an-dRamalagasy ho tsy manam-pidiny lava.

r.r

Partager sur: