Aza fatra-pitsetsitra loatra!

 

Mandeha ny asa! Mitohy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, mandeha ny fidinana ifotony tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Manao ranolava ny fahatongavan’ ny vahiny, manasonia fifanaraham-piaraha-miasa. Mandeha tsikelikely eny ny zava-drehetra!
Tsy natao hampilavo lefona rahateo ny sedra maro isan-karazany, izay lalovan’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy. Iarahan’ny rehetra mizaka ny fahoriana mangitsokitsoka. Marina fa mahakivy ny mijery ny mpiray tanindrazana, izay tena very fanahy mbola velona. Izay mifanena toa efa tsisy fanantenana, variana miondrika amin’ny tany diso tafahoatra. Latsaka anaty fahoriana lalina tanteraka. Ny zava-dehibe! Misy ihany ny fandraisana andraikitra ataon’ny tomponandraikitra sasany.
Na izany aza, alefa hatrany ny antso vonjy amin’izay manam-panahy, afaka ny hijery akaiky ny ngidim-piainan’ireto Malagasy. Tsy ankifidy saranga rahateo ny fahantrana ankehitriny. Toa efa mahatratra 24 tapitrisa hono ny Malagasy tena mahantra fadiranovana? Hoy ny tatitra miparitaka tamin’ity herinandro ity. Efa isika mianakavy anie izany no farahidiny!
Inoana sy antenaina fa tsy ny politika irery no afaka hamaha izany, mila finiavana sy fanovana goavana. Mibaribary loatra ny fisian’olom-bitsy, tsy mpanao politika araka no tokony ho izy. Misy vondrona eto mpikatsaka harena fotsiny, mpisolelaka mba hahazoana zoron-damban’ny henjana. Maika ny hahazo seza sy loharanon-karena anaty rafitra voaaron’ny fanjakana.
Tsy sanatrian-dresaka fialonana na fankahalana, mendrika fanatsarana ny tontolo politika malagasy mba hipaka amin’ny sosialim-bahoaka sy ny toekarem-pirenena. Azo atao ny “makamaka kely fa aza hadino ny tanindrazana”, hoy ilay filoham-pirenena malaza iray izay fony fahavelony. Aza fatra-panesika loatra fa izay tsy mahalala onona ihany no kendan’ny asesiky ny tanany.

r.r

Partager sur: