Fikajiana ny kolontsaina: hanao velakevitra ny Famailahy

Anisan’ny ezaka sady antom-pijoroan’ny fikambanana Famailahy ny fikajiana ny kolontsaina, tantara, sns. Ny 28 avrily izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny EPP Ambohijanaka Antsinanantanana. Hanatanteraka velakevitra fampahafantarana ity fikambanana ity ny tomponandraikitra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famaliana ny fanontaniana, inona sy aiza ary iza ny Famailahy ? Ireo fomba amam-panao teo amin’ny fiarahamonina misy ny Famailahy. Ny vakoka sy hasina ary ny ankehitriny.
Nomarihin’ny tomponandraikitra fa « raha misy tahirin-kevitra, sary… Azon’ny tsirairay hoentina, na omena na atao « scan » » dia ho raisina an-tanan-droa, mba hanatevenana ny tahiry efa eo an-tanana. Efa misy ihany koa ny fikarohana vitan’ny Famailahy, ho hita eny an-toerana. Anisan’izany ny alimanaka, ny tetiharana…
Fantatra fa « ny 20% ny vidin’ireny no homenao ny fikambanana Famailahy ». Marihina fa faritra lehibe eny Antananarivo Atsimondrano no misy ny sehatrasa sahanin’ny Famailahy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: