Fivezivezena an-tanàn-dehibe : nikaondoha ireo teknisianina

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, afakomaly, ny fikaonandoha nijerena manokana ny fivezivezena an-tanàn-dehibe eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa mihamitombo ny mponina, mivoatra ny filàna eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-tanàn-dehibe kanefa mila tsy haharaka koa ny fotodrafi­trasa sy ny fivoaran’ny lalàn’ny fifamoivoizana. Ilaina, noho izany, fijerena manokana azy io, raha ny nambaran’ny mini­sitry ny Fitaterana, Ramonjavelo Valery.
Izany no antony nanatontosana ny adihevitra manokana teny Ivato. Anisan’ny voaresaka tao ny momba ny fanavao­zana ny taxi-be sy ny hahamatihanina kokoa ny fitateram-bahoaka, ny fanitarana ny fotodrafitrasa.
Efa napetraky ny fitondram-panjakana ny lamasinina an-tanàn-dehibe, “train urbain”. Ho avy tsy ho ela koa ny fampiasana ny teleferika, izay fomba hialana amin’ny toham-boivoy sy ny fotoana very.
Voaresaka teny Ivato koa ny fampiasana indray ny fiara lehibe mahazaka olona maro sy tsy mibahana ny arabe sy ny fifamoivoizana. Tsiahivina fa ny vondrona Codatu sy ny fiaraha-miasa frantsay, amin’ny alalan’ny AFD, no mpanohana ara-bola sy ara-teknika ity fikaonandoha ity.

Tatiana A

Partager sur: