Foibe fitehirizana vaksiny lehibe aty Afrika : notokanana omaly ny fotodrafitrasa vaovao, eny Ivato

Notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny, omaly, ny foibe lehibe indrindra aty Afrika hitehirizana vaksiny eto Madagasikara. Naorina eny Ivato miaraka amin’ny toeram-piasan’ny sampandraharaha misahana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ity.

“Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Uni­cef ary ny Alliance Gavi, tao anatin’ny efatra taona, no nahazoana ny fotodrafitrasa vaovao izay fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana”, hoy ny talen’ny fanamafisana ny rafitry ny fahasalamana sy ny vaksiny avy amin’ny Alliance Gavi, Alex de Jonquières. Hanokana vola mitentina 100 tapitrisa dolara ny Gavi amin’ ity taona ity ho an’i Madaga­sikara, ho fanamafisana ny fanaovam-baksiny, araka ny nambarany ihany. Mitentina
4 tapitrisa dolara mahery ny fanorenana sy ny fampitaovana ny foibe vaovao misy trano fampangatsiahana 11 sy vata fampangatsiahana 2 000.
“Tafiditra amin’ny fitsinjovana ny maha olona anatin’ny fototry ny asan’ny fanjakana ny fiarovana ny fahasalaman’ ny zaza, amin’ny fanaovam-baksiny ary natao ho taonan’ ny fanaovam-baksiny ity taona ity”, hoy ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, tamin’ny fandraisam-pitenenany. Efa niakatra ho 86% ny tahan’ny zaza vita vaksiny ny volana desambra 2023 lasa teo, raha 36% monja izany taorian’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Manao ezaka dia ho tratra ny taha 90%, fenitra napetraky ny OMS. Tao anatin’ny enim-bolana farany, tsy nisy trangana poliomelita vaovao voatily intsony, araka ny fanazavany ihany. Nohamafisiny fa hametrahana toerana fitehirizana vaksiny lehibe tahaka izao eto Ivato izao ny faritra rehetra ary hatramin’ny faran’ny taona, hihodina amin’ny herin’ny masoandro avokoa ny foibe fitehirizana vaksiny rehetra efa miasa. Nahazo moto 153 ihany koa ireo mpanao vak­siny avy amin’ny Gavi France hanamorana ny asa any am­banivohitra.
Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny sy ny faha-50 taonan’ny fanaovam-baksiny ny hetsika androany.

Vonjy A.

Partager sur: