MFF, andiany faha-19: miisa 177 ny sarimihetsika hifaninana

Efa fantatra avokoa ireo sarimihetsika samihafa, hifaninana ao anatin’ny Madaga­scourt Film Festival (MFF) andiany faha-19. Miisa 177 izy ireo, ary mizara sokajy efatra. Nifarana ny 14 avrily 2024 teo ny fisoratana anarana amin’ity hetsika lehibe ity, ary izao navoakan’ny mpikarakara izao ny lisitr’ireo afaka mifaninana. Nahatratra 347 ny sarimihetsika voaray saingy ireo 177 ireo no nahafeno fepetra. Raha tsiahivina, ny 5 jolay 2024 hatramin’ny 12 jolay 2024 no hanatanterahina ny MFF, andiany faha-19, eto An­tananarivo.

Horonantsary fanadihadiana miisa 42, horonantsary fanentanana 20 isa, Tantara foronina 100 isa ary ho an’ny matihanina miisa 15. Hita ho nitombo ny isan’ny mpandray anjara raha oharina tamin’ny andiany teo aloha. Mpanatontosa sarimihetsika avy amina firenena miisa 43 no nifidy ny hifaninana amin’ny hetsika. Avy eto Afrika ny 79,7 % amin’ireo, araka ny tatitry ny mpikarakara. Misy kosa ny avy any Amerika sy Eoropa ary Azia. Anisan’ny fanambin’ny mpikarakara ny hampiakatra ny taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy. Tafakatra ho 30% izany tamin’ity andiany ity.

Anisan’ny mampiavaka azy ity ny sokajy natokana ho an’ny matihanina. Ankoatra izay, sahala amin’ny rehetra teo aloha. Ho hita amin’izany ohatra ny vahiny nasaina manokana sy ny hetsika maro samihafa handravaka ity MFF andiany faha-19 ity.

Lin

Partager sur: