Oniversite – tetikasa « IRF-Tanora » : hitondra fandriampahalemana

Tanterahina amin’ireo oniversitem-panjakana miisa telo, manerana ny Nosy, ny teti­kasa “IRF-Tanora”. Tanjona ny hitondra fanatsarana sy fanamafisam-pirahalahiana eo amin’ny samy mpianatra. Hiantoka ny fandriampahalemana eny amin’ny Oniversite, manoloana ireo disadisa
miseho amin’ny endriny samihafa, eo amin’ny samy tanora mpianatra ny tetikasa. Hisi­traka izany ny oniversite telo, ny oniversiten’i Maninday To­liara, Barikadimy Toamasina ary ny oniversiten’ Antanana­rivo, izay ahitana tsy fandriampahalemana matetika. Natao tamin’ity herinandro ity ny tetikasa «IRF-tanora» ho an’ny oniversiten’Antananarivo. Nana­trika izany ireo mpianatra sy fikambanan’ny mpianatra teny an-toerana.
Nampahafantarina tamin’ izany ireo paikady maro ahafahana mitaky ny vatsim-pianarana anaty filaminana, ny fananganana tetikasam-piarahamonina mifandray amin’ny filaminana sy ny fampianarana mitantana fikambanana.
Kendrena ny hametrahana filaminana eo amin’ny samy mpianatra sy hisian’ny fiarahamonina mirindra eny amin’ ny oniversite. “Iankinan’ny fahatoniana amin’ny fiatre­hana ny fianarana ny fisian’ny fandriampahalemana ka zava-dehibe ny fahatanterahan’ny tetikasa”, hoy ny avy ao amin’ ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Matetika mitranga eny amin’ny oniversite ny tsy fifanarahana eo amin’ny samy mpianatra na samihafa fihaviana na koa herisetra amina karazana fitakiana isan-karazany.

Tatiana A

Partager sur: